Torohay ara-pahasalamana : 7 tapitrisa ireo nisitraka tombontsoa

Nanofana mpiasan’ny fahasalamana sy mpikirakira torohay avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miisa 1 800 ny tetikasa “Measure Malaria” izay tohanan’ny PMI. Tanjona ny hanangona sy hamakafaka ireo antontanisa sy angon-kevitra hitarihana ny politikam-pahasalamana sy ireo fandaharanasam-pahasalamana ary ireo tolotra ara-pahasalamana. Nandritra ny telo taona ny fanamafisana ny rafitry ny torohay ara-pahasalamana eo anivon’ny CSB I sy II 80 manerana ny Nosy, ka nahafahana nitsabo marary miisa 7,3 tapitrisa
Nitentina 5 tapitrisa dolara ny tetikasa, tantanin’ny USAID. Nanampy ny minisitera hanangona sy hamakafaka ny torohay avy amin’ny sehatra tsy miankina. Hanara-maso sy hanatsara ny paikady nasionaly momba ny ady amin’ny tazomoka.
Hopitaly tsy miankina miisa 20 eto Analamanga no efa mampiasa mivantana ny rafitry ny torohay ara-pahasalamana elektronika napetraky ny tetikasa. Noho ny fanohanan’ny PMI dia nampihena ho 1,7 tapitrisa ny isan’ny voan’ny tazomoka voamarina tamin’ny taon-dasa i Madagasikara raha 2,3 tapitrisa izany teo aloha. Nidina maherin’ny 25% izany.
Ny tetikasa koa dia nanampy ny mpiasan’ny minisitera hanao jery todika sy hanara-maso ny fanangonana sy famakafakana torohay eny ifotony.

Tatiana A

Partager sur: