Toromariky ny Ceni : mbola afaka mametraka fitarainana ireo mpifidy

Namoaka ny toromarika faramparany ny eo anivon’ny Ceni, ankoatra ny fidinana ifotony ataon’ireo eo anivon’ny birao foibe. Nambaran’izy ireo fa efa naverina eny anivon’ny fokontany ny lisitry ny mpifidy nofaranana ny 10 jona lasa teo. Na izany aza, mbola mitohy hatramin’ny 6 jolay ho avy izao ny fotoana ahafahan’ny olompirenena, misoratra anarana eny anivon’ny biraom-pokontany, raha tsy mbola nanao izany. “Tsy mbola tara izy ireny satria mety ho tsy teto an-toerana na namita iraka na noho ny an­tony samihafa… “, hoy ny mpampakateny, Andriamaro­tafika Soava, tany Amoron’i Mania, ny herinandro teo.
Mbola azo atao koa ny manamarina ny mombamomba izay voasoratra ao anaty lisitra, sao nisehoana hadisoana na latsaka ny voasoratra momba ilay mpifidy. “Mbola azo atao koa ny mametraka fitarainana raha efa nisoratra anarana kanefa tsy mbola ao… Azon’ny olompirenena atao koa ny manohitra ny anaran’olona efa tsy tokony ho ao anaty lisitra intsony nefa hita ao izany”, hoy ihany izy. Nohamafisiny fa mbola manana hatramin’ity herinandro ity izany ahafahana misoratra anarana ho ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Fanampin’izany ny fisokafan’ny biraom-pokontany, ahafahana manao izany rehetra izany, araka ny nambarany hatrany. “Lisitry ny mpifidy feno sy marina no antoky ny filaminana sy ny fitoniana”, hoy ny eo anivon’ny Ceni.

Synèse R.

Partager sur: