60 taona; tsy miova ny fanambin’ny Tahirimbolam-panjakana

Natao ny 1 sy 2 ary ny 3 jolay teo, ny fankazalana ny faha-60 taona ny Tahirim­bolam-panjakana. Hetsika ara-panatanjahantena sy ara-ko­lon­tsaina ny andro roa voalohany, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Teny amin’ny CCI Ivato kosa ny andro fahatelo, « Andron’ny Tahirim­bo­lam-panjakana ». Notolora­na mariboninahitra ny mpiasa ma­nerana ny Nosy amperinasa sy ny handeha hisotro ronono.
Tsy miova ny fanambin’ny Tahirimbolam-panjakana. Voalohany, ny fiarovana ny tahirimbolam-panjakana, ny fifanakalozana ny volam-panjakana. Faharoa, ny fahaiza-mi­tantana ny volam-panjakana sy ny kaontimbolam-panjakana. Fahatelo, ny fampiroboroboana ny tolotra ara-bola amin’ny asam-panjakana.

Maoderina sy matotra
Na teo aza ny krizy samihafa miseho, nahavita ny andraikiny hatrany ny Fitan­tanana foibe ny Tahirimbolam- panjakana (DGT). Vina vaovao apetraky ny DGT ny « Tahirimbo­lam-panjakana mi­voatra, miasa mahitsy, ao anatin’ny mangarahara ary lavitry ny kolikoly ». Tahirim­bolam-panjakana maoderina sy matotra. Ao anatin’izany ny fampiasana ny teknolojia niomerika ny fitantanan-draharaha, ny fampodiana ny vola vahiny, ny fanamafisana ny fiarovana ny antontam-baovao. Ary koa ny fametrahana vovonana tokana mba hanomezana tolotra mendrika ny manan-draharaha ao aminy.

Njaka A.

Partager sur: