Anivorano Antsiranana: ho voavaha afaka 2 volana ny olan’ny rano

Mitsidika any amin’ny faritra Diana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, ny faran’ny herinandro teo. Nokarohina ny vaha­olan’ny tsy fahampian-drano.

Tsy ampy ny famatsiana rano fisotro ! Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny rano any Antsiranana. Notsidihin’ny minisitry ny Rano (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, ireo fokontany dimy any Antsiranana. Vahaolana maika hatao ny hitrandrahana ny rano any ambanin’ny tany, izay hanomboka tsy ho ela ny asa. Nojerena koa ny handavahan-drano goavana hanana tosika matanjaka. Misy asa tokony hatao hampitomboana avo roa heny ny rano vokarina. Manohana ny famahana ny olana ny Banky iraisam-pirenena, efa eo am-panaovana fahadihadiana ara-teknika.
Ho an’ny kaominina Joffreville, distrika Antsiranana II, avy any amin’ny tendrombohitra Montagne d’Ambre ny rano mamatsy azy. Niisa 78 ny loharano avy ao amin’ity tendrombohitra ity tany aloha, fa lasa 18 sisa ankehitriny, vokatry ny fanimbana ny ala sy ny sahandriaka. Iarahana amin’ny tsy miankina ny fanamboarana fotodrafitrasa any an-toerana. « Kendrena ny hanamaroana izany fiaraha-miasa izany, mba haharitra 10 hatramin’ny 15 taona », hoy ny minisitra Ravokatra Fidiniavo.

Vitaina anaty 2 roa volana

Nitohy tany Anivorano Avaratra, Antsiranana II, ny dian’ny delegasiona. Misy ny rano saingy tsy ampy sady tsy madio. Vita ny 60%-n’ny fotodrafitrasa ilaina, ka nanome baiko ny orinasa ny minisitra, hamitana ny asa afaka roa volana. Miisa 43 ny paompin-drano any Anivorano. Nanotrona ny minisitra tany an-toerana ny solombavambahoaka Antsiranana II, Dahy Ramamonjisoa Herman.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: