Toeram-panarenana ny ankizy solafaka na nivaona teny amin’ny fiarahamonina ny ao amin’ny kartien’ny ankizy tsy ampy taona, ao amin’ny fonjan’Antanimora. Fampanarahan-dalàna sy fitaizana ireo tanora ho tonga olom-banona no tanjona, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Tsy maintsy mifoha amin’ ny 6 ora sy sasany maraina ny rehetra. Efa voazara ny andraikitra ka samy manatanteraka ny tandify azy ny tsirairay, toy ny manadio ny toeram-pidiovana… Mangahazo maina iantohan’ny fanjakana no sakafo maraina. Miditra any amin’ny efitranon-tsekoly sy toeram-piofanana amin’ny 8 ora. Amin’ny 12 ora atoandro kosa no mirava. Misakafo, iantohan’ny Grandir Dignement. Afaka mijery fahitalavitra na milalao avy eo. Miverina mianatra amin’ny 2 ora, mirava amin’ny 4 ora hariva.
Mahandro ny sakafo, vatsian’ny fianakaviana ho an’ izay misy manatitra ny hariva. Amin’ny 7 ora sy sasany hariva tsy maintsy efa matory.
Nanazava ny tomponandraikitra fa zanaky ny lalana ny ankamaroan’ny ankizy ao. Misy amin’izy ireo sambany vao natory teny ambony fandriana, tao anaty trano, mianatra, miaina fahatoniana… satria mpatory amoron-dalana… Tao ireo nanao sinto-mahery, ny sasany namaky trano, ny hafa kosa endrikendrika…
Fanarenana azy ireo ho tonga olom-banona ny famolavolana rehetra atao ary fitaizana amin’ny fiverenany eny amin’ny fiarahamonina.
Tatiana A