Antenimierandoholona: miisa 20 ny volavolan-dalàna lany

Nifarana ny zoma 30 jona teo ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierandoholona. Nitarika ny fotoana ny filohany (PS), Razafimahefa Herima­na­na. Miisa 20 ny volavolan-dalàna lany miampy tolo-dalàna iray. Anisan’izany ny volavolan-dalàna mikasika ny fampiasam-bola, ny sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny mikasika ny kaoperativa, ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny asa iarahana amin’ny OIT. Eo koa ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-toekarena (APE), nataon’ny firenena miisa dimy sonia, ho an’ny Vondrona Afrika Atsinanana (AFOA), mikasika ny varotra, ny jono, ny fotodrafitrasa, ny harena voajanahary, sns.
Nolaniana koa ny lalàna mametraka ny faritra Ambato­soa, faha-24 eto Madagasika­ra. Ny famatsiam-bola hanatanterahana tetikasa ho an’ny vahoaka eny ifotony. Ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fanatsarana ny fambolena, ny fanadiovana sy fidiovana, ny fiatrehana ny loza vokatry ny tondradrano, ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva, sns.
Ho an’ny Antenimierando­ho­lo­na manokana, hitohy ny fidinana ifotony sy ny fitetezam-paritra. Ny fambolen-kazo handrakofana maitso ny Nosy. Dinika iarahana amin’ny fikambanana ara-drazana, ny fiahiana ny zaza sembana, ny fihainoana ny fitarainan’ny ben’ny Tanàna, sns. Hamafisi­na ny fiaraha-miasa any ivelany. Nambaran’ny PS Razafi­ma­hefa Herimanana, fa mi­ara-misalahy amin’ny mpanatanteraka sady mihaino ny vahoaka ity andrimpanjakana ity.

Njaka A.

Partager sur: