Bakalorea ETO ANTANANARIVO: Misitraka « cours » ny mpiadina

Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Tranompokonolona Ana­lakely, ny fampianarana maimaimpoana ho an’ireo mpanala fanadinana bakalorea. Nokarakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Ambany tanàna miray (ATM). Hisitraka izany ireo tanora hanala fanadinana eto anivon’ny fari-piadidian’ny tanànan’Antanana­rivo Renivohitra. Tanjona ny hanampiana ireo mpianatra amin’ny fanomanana ny fanadinam-panjakana. “Zava-dehibe ho an’ny tanora ny fanadinana bakalorea ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny tale misahana ny asa sosialy sy fahasalamana eo anivon’ny kaominina, Dr Raharinandrasana Hajatiana. Nilaza izy fa hampiana izy ireo mba hahomby amin’ny fanadinana. Hanolotra paikady sy torohevitra manokana ho azy ireo ny mpampianatra efa za-draharaha mandritra izany. Nanatrika izany teny an-toerana ny solontenan’ny ben’ny Tanàna, ny lefitra faharoa, Andriamanday Naina. Tante­rahina eny amin’ny Tranom­pokonolona Isotry sy Anala­kely ny hetsika, mandritra ny herinandro.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: