Ben’ny Tanànan’i Soavina : mpanala BEPC 324 nahazo sakafo

Nanomboka omaly ny fampisakafoana ireo mpiadina manala fanadinana BEPC, eny amin’ny kaominina ambanivohitra Soavina. Hetsika nokarakarain’ny ben’ny Tanà­na sy ny mpiara-miasa aminy, natao teo an-tokontany malalaky ny Ceg Soavina. Nisi­traka izany ireo mpiadina 324 avy amin’ny sekoly 13 miankina sy tsy miankina ao anatin’ny kaominina. “Tsapa ny tsy fitovian’ny sakafo hanin’ireo ankizy mandritra ny fanadinam-panjakana ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambanivohitra Soavina, Rakotoarisoa Bien Aimé Ri­gobert. Tanjona ny hanala ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny sy hampitoviana ny sakafon’izy ireo, mandritry ny fotoam-panadinana.
Ankoatra izay, nomena tohana ara-tsaina ny ray aman-dreny, telo andro alo­han’ny fanadinana. Mba hampilamina ny sain’ny ankizy aloha sy mandritry ny fotoam-panadinana. Nolazaina azy ireo fa tsy tokony homena asa mafy intsony ny ankizy, homena sakafo tsara. “Miverina ao an-tsain’ny ankizy avokoa ny lesona rehetra mandritry ny taom-pianarana rehefa milamina ny ao an-tokantrano”, hoy izy. Eza­ka ataon’ny kaominina ny hizara fitaovam-pianarana ho an’ireo olona tena sahirana eny an-toerana. 10 taona nanaovana ny hetsika, hisitraka izany koa ireo mpiadina hanala ny fanadinana baka­lorea.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: