Olona enina nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly be Taolagnaro, omaly. Naratra vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpitokona ao an-toerana izy ireo. Nanao fanakanan-dalana teo amin’ny toerana atao hoe Amaroamalina sy “4 chémins” ireo mpitokona. “Efa niezaka nitady ny marimaritra iraisana tamin’ireo fokonolona izahay saingy misy ny lalàna arahina”, hoy ny fanazavana an-telefaonina avy amin’ny kaomandin’ny kaompania zandarimaria ao Taolagnaro. Efa nitokona nanomboka ny 26 jona lasa teo ireto fokonolona ireto. Tsy fankatoavana ny fahalotoan’ny rano noho ny fisian’ny orinasa iray lehibe mitrandraka ao an-toerana izy ireo. “Nitarika ny fitokonana ny fikambanana tsy miankina iray”, hoy ny loharanom-baovao ao an-toerana. Niha nahery vaika io fitakiana io ka nanafatra olona avy any Tsivory, distrikan’ Amboasary Atsimo sy Ambovombe ireo mpitokona, ny 27 jona teo. Nandrava io fihetsiketsehana io ny mpitandro filaminana. Vokany, nitohy ny fifandonana, omaly. Olona enina naratra. “Efa nalefan’ny hopitaly nody ny efatra raha toa ka manaraka fitsaboana ny roa”, hoy ny loharanom-baovao ao an-toerana. Tetsy ankilany, nanamarina ny fisian’ny fifandonana ny mpitandro filaminana. “Tsy fantatra mazava ireo naratra vokatry ny fifandonana”, hoy ny zandary kaomandin’ny kaompania ao an-toerana.
Tsiferana R.