Jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy, roa azo sambo-belona. Io no vokatry ny fifandonana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy mpangalatr’omby sady mpamono olona ao amin’ny faritr’Ihorombe, afakomaly. Ny faran’ny volana jona teo, nanafika tao amin’ny fokontany Ambaniandrefana, Ihosy, ireto jiolahy ireto. Olona iray maty nandritra ny fanafihana. Omby telo anefa no nokasain’ireo jiolahy halaina tamin’io fotoana io. Tonga haingana ny polisy ka lasa nitsoaka ireo olon-dratsy. Nahazo loharanom-baovao rahateo izy ireo momba ny fisian’ireto jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ireto. Vao haingana anefa io fokontany io no nitrangana fanfihan-jiolahy mitam-piadiana toy izao. Nifanome tanana ny polisy avy ao Ihosy sy Ihorombe tamin’ny fanaovana sakana. Tokony ho 10 km tsy hidirana ny tanànan’Ihosy, raikitra ny fifandonana satria nitifitra ireo jiolahy raha vantany vao nahatazana ny polisy. Namaly tifitra ny polisy ka maty ny iray. Tratra niaraka tamin’ny basy kosa ny roa. Tafaporitsaka ny roa ambiny. Eo am-pikarohana ireo tafatsoaka ny polisy ao Ihorombe.
J.C