Tsara ny vokatra nandritra ny hetsika “4ème Mission économique et commerciale » (MECC) tao Canada, ny 8-19 mey lasa teo, izay nandraisan’i Madagasikara anjara. Taorian’io, mitentina 1.4 tapitrisa dolara ny fangatahana fanafarana entana voarain’
ireo mpandraharaha. Aman-jatony ihany koa ireo mikasa hividy ny vokatra malagasy. Vonona hiara-kiasa amin’ny Malagasy mpandraharaha ny teratany vahiny. Nisy ny fifaranarahana ara-barotra nataon’ireo mpandraharaha sy ireo fikambanana samihafa amin’ny fandefasana entana any an-toerana. Nikaondoha sy nifanakalo hevitra tamin’ireo matihanina amin’ny fifankalozam-barotra ao Canada ny solontenan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Nodinihina, nandritra izany, ny fanatsarana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Manomboka fantatra sy be mpankasitraka ao Canada ny tolotra sy ny vokatra malagasy. Tsara laza hatrany Amerika avaratra ny vita malagasy.
Namokatra
Nikarakara ity hetsika ity ny Canchan, tranoben’ny varotra Canada-Madagasikara. Toerana miisa enina tao Canada no nanaovana ny MECC tamin’ity taona ity. Anisan’izany i Toronto, Montréal, Trois-Rivières, Drummondville, Québec ary Ottawa. Natokana ho an’ny fandraisana anjara tamin’ny hetsika iraisam-pirenena momba ny sakafo tao Toronto ny telo andro voalohan’ny MECC. Nandray anjara sy nanana tranoheva tamin’izany i Madagasikara. Nisy ihany koa ny fivoriana B2B sy ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Tao koa ireo fikambanana manohana ny fandraharahana sy fanondranana, miaraka amin’ireo diaspora any an-toerana. Nisy ihany koa ny fitsidihana orinasa ao Canada.
Nanatontosa : Henintsoa H.