Foibem-panadinana Lycée Rabearivelo : mpiadina voafonja dimy miatrika BEPC

«Roa herinandro ny faharetan’ny fitsarana ny kopiam-panadinana ka hoezahina hivoaka aorian’izay ny valim-panadinana BEPC», hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena.

Mandray ny ankizy voafonja miatrika ny BEPC, toy ny isan-taona, ny foibem-panadinana Lycée JJ Rabearivelo. «Dimy lahy izy ireo no manala fanadinana amin’ity taona ity ary misy mpiasan’ny fonja manara-maso azy ireo mandritra ny hefarana», hoy ny provi­seur-n’ ny lycée Rabearivelo, Rakoto­malala Holy, omaly. 1 494 ny isan’ny mpiadina ka 83 ireo tsy tonga nanatrika ny tapany maraina. Mbola afaka manohy manatanteraka ny fanadinana izy ireo satria tsy misy ny «note éliminatoire» ho an’ny BEPC. 1 306 ny sokajy A, 189 ny sokajy B ho an’ireo mpiadina ao amin’ny lycée Rabea­ri­velo. Misy mpiadina autiste iray koa fa miaraka amin’ny mpiadina rehetra izy fa tsy misy fepetra manokana ho azy. Roa isaky ny efitrano ny mpanara-maso ny fanadinana ary ampy avokoa. Tsy nisy nanadino taratasy fiantsoana sy karatra koa ny mpiadina rehetra ary nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana.
Matematika sy Français ny anio
Ora telo no niatrehan’ny mpiadina ny taranja Malaga­sy, ny tapany maraina. Ampa­han-dahatsoratra tao amin’ny boky nosoratan-dRandriama­monjy Esther, “Ho avy ny maraina” no namolavolana ny lahatsoratra hiasan’ny mpiadina. Voarakitra ao ny fahasahiranan’ny mpamboly mitatitra ny vokatra hamidy any an-tsena mamatsy ny mpanjifa noho ny haratsian’ny lalana any ambanivohitra. Mbola nifototra amin’ izay lalana izay ny famoronan-dahatsoratra notakina tamin’ izy ireo. “Anto­ky ny fampandrosoana ny fahatsaran’ny lalana”. Azo raisina tsara ny laza adina, hoy ny ankamaroan’ny mpiadina amin’ny sokajy roa. Matema­tika sy Français ny taranja roa hanadinana, anio tontolo andro.

Vonjy A.

Partager sur: