INDRAY MIJERY

Nanomboka, omaly, ny fanadinana Brevet d’Etudes Professionnelles (BEP) ka nanokatra izany ny minisitra Vavitsara Rahantanirina, tao amin’ny LTPGC Mahamasina. Mahatratra 10 384 ireo mpiadina manerana ny Nosy, izay miparitaka amin’ny foibem-panadinana miisa 88. Mifanindran-dalana amin’ity BEP ity ihany koa ny Certificat de Fin d’Apprentissage (CFA) .
Mandritra ny 5 taona ny fampiharana ny fandaharanasa nasionaly ho fisorohana sy hifehezana ny fiparita­han’ny mikraoba (PNPCI). Tanjona ny hahafahan’ireo mpian­tsehatra ara-pahasalamana manatsara ny kalitaon’ny tolotra, miasa anaty tontolo madio sy voakajy, lavitry ny mikraoba sy ny aretina ary hiarovana ny tsy hiparitahan’izany.
Natomboka teny Manarintsoa sy Anosipatrana indray ny hetsika  «Zoma Fifanampiana» ho amin’ity taona ity, fanaon’ny minisiteran’ny Mponina, tarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Zokiolona sy ireo olona to teny miisa 400, mandray andraikitra eny ifotony ao amin’ny boriboritany I sy III, no nisitraka ny fanampiana.
Hentitra ny talen’ny DEXAMC- BEPC, Andria­narison Tinaina Edinah, omaly, nilaza fa misy ny fiarovana ny laza adina manomboka eny amin’ny minisitera foibe sy ireo foibem-panadinana manerana ny Nosy. Mam­pi­tandrina ny tomponandraikitra amin’ny zava-miseho miparitaka amin’ ny tambajotran-tserasera izay manakorontana ny sain’ny mpiadina sy ny ray aman-dreny ny tenany.

Partager sur: