Anisan’ny tanàna iray manana ny lazany amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ny kaominina Soavina. Anisan’ izany ny klioba baolina kitra, Domoina Soavina Atsimondrano (DSA). Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana, omaly, dia ao anatin’ny fotoana famolavolana ny tanora hitia fanatanjahantena ny klioba DSA amin’izao fotoana izao.
Araka ny fanazavana nataon-dRakotoarisoa Bien Aimé Rigobert, ben’ny Tanànan’i Soavina, tsy nasiana ny sokajy « sénior » noho ireo mpilalao izay efa maro ny manambady. Efa nanao fifaninanana tany ivelany, toy ny tany Frantsa ny DSA sokajy zandriny, U13-U15, ny taona 2013. Tsiahivina fa ny taona 1998, tafita tamin’ny dingan’ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika « Coupe de La Caf » ny DSA. Nahintsan’ny Club Sportif SFAX Tonizia izy ireo, tamin’io fotoana io.
Ankoatra ny kitra, manana ekipa rugby mifaninanana aty Antananarivo ity kaominina ity. XV DSAM (Domoina Soavina Atsimondrano milalao) no anaran’izany. Misy ihany koa ny klioba DSAM taranja basikety lahy sy vavy.
Tsara ny mampahafantatra fa avy ao Soavina, ilay atleta malagasy amin’ny taranja “Bras de fer”, Rakotonirina Tahina Etienne. Efa tompondaka lefitra nandritra ny fifaninanana Afrikanina, tamin’ity taranja ity, i Tahina, tany Nigeria, ny 2022. Nanangana toerana fanaovana fanazarantena “salle de musculation” ho an’ny rehetra ny ben’ny Tanàna, mba hahafahan’izy ireo miomana amin’ny fifaninanana maro samihafa.
Fitia (Mpianatra asa)