Manakaiky kokoa ireo izay mila azy. Tanjona apetraky ny Alliances Françaises maneran-tany io, ka tafiditra amin’izany ny fisokafan’ny sampan’ny Alliance Française eto Antananarivo, eny Ankadimbahoaka. Notokanana, omaly, ity ivontoerana ho an’ny kolontsaina, ny fanabeazana sy ny fampianarana ny teny frantsay ity. Ao amin’ny Alhambara Gallery, rihana fahefatra no misy azy, vokatry ny fiaraha-miasan’ny AFT sy ny groupe Filatex.
“Mitovy amin’izay hita eny Andavamamba ihany ny eto Ankadimbahoaka: fampianarana ny teny frantsay amin’ny endriny rehetra, tranomboky, fanomezana sehatra ny zavakanto sy ny kolontsaina, sns”, hoy ny nambaran’i Monique Raharinosy, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AFT amin’izao fotoana izao.
Noho ny fahatsapana fa tokony hivelatra bebe kokoa ny asa aman’andraikitry ny Alliance Française eto Antananarivo no antony hafa nanokafana ny rantsana faharoa. Hisantatra ny AFT Ankadimbahoaka ny “cours de vacances”, ho an’ny ankizy, ny tanora sy ny mpiasa izay te hanatevina ny fifehezany ny teny frantsay. Halamina eny am-pandehanana ny fampidirana ho mpikambana toy ny eny amin’ny AFT Andavamamba. Tosika lehibe ho azy ireo ny fisian’ity rantsana vaovao ity, izay azo antoka fa handray anjara toerana lehibe amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny kolontsaina.
Amin’ny maha zava-dehibe azy izay, tonga nanome voninahitra ny lanonana fitokanana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Rahantanirina Vavitsara Gabriella sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana.
Zo ny Aina