Mbola hitohy anio: 5°C ny maripana ambany indrindra

Mamirifiry ny andro, maloka sy mandrivotra ary manerika ny maraina vokatry ny tsiokan’ny varatraza matanjaka. Mbola hitohy, anio, io hatsiaka io fa hisava kosa rahampitso ho an’ny eto afovoantany. Raha mangatsiaka ny eto afovoantany, misy orana ny ilany atsinanana rehetra, araka ny fanazavan’ny teknisianina eny amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Ho an’ny maripana farany ambany, 3° ka hatramin’ny 4°C, ho an’ny faritra Vakinankaratra ary 5° ka hatramin’ny 10°C, ho an’ny faritra Analamanga sy Matsiatra Ambony. 18 ° ka hatramin’ny 24°C ny maripana farany ambony ary tafakatra hatramin’ny 33°C ho an’ny faritra Boeny sy Sofia ary Betsiboka. Efa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ny volana jolay ary hiverina indray hahazo vahana izany volonandro ririnina izany ny zoma ho avy izao.

Ny faritra Vakinankaratra no tena isehoan’ny volonandro ririnina satria tafidina 0°C ny maripana farany ambany ka nahitana fanala mihitsy tany an-toerana. Namirifiry ny hatsiaka satria 2° ka hatraminy 3°C ny maripana ambany indrindra, ny herinandro lasa teo. Mila mivonona hatrany amin’ny akanjo mafana ny rehetra, indrindra ireo mpanala fanadinana.

Vonjy

Partager sur: