Tontosa ny sabotsy 1 sy alahady 2 jolay lasa teo, teny amin’ny “circuit” Bevalala, ny dingana fahatelo amin’ny “Slalom”, nokarakarain’ny klioba MSA sy ny Yacco. Mpanamory roa no nisongadina, tamin’ity, dia i Olivier mpanamorin’ny klioba ASACM, nitondra ny fiara Citroen C2 sy i Tovonen Jr avy amin’ny FMMSAM, nijapy ny Renault Clio. Samy nanao pao-droa avy izy mirahalahy.
Voalohany, teo amin’ny “2 Roues Motrices” i Olivier, nahatontosa ny fe-potoana tao anatin’ny 3 mn 25 s, ho an’ireo “circuit” roa A sy B. Tonga teo amin’ny laharana faharoa,
i Tovonen Jr, nahavita ny fifaninanana 3 mn 25, 25 s. Namarana ny fiakarana ny lampihazo, i Fred, avy amin’ny klioba ASACM, nitondra ny Citroen C2. 3 mn 32,91 s ny fe-potoany. Mbola i Olivier ihany koa ny nahazo izany teo amin’ny M10.
Niavaka koa teo amin’ny M11 sy ny “Pilote espoir Auto”, norombahin’i Tovonen Jr. Dingana manaraky ny Slalom, karakarain’ny klioba FMMSAM, hatao ny 23 sy 24 septambra, miditra ao anatin’ny dingana fahefatra ho an’ny fifaninanam-pirenena.
Tompondaka