SOMBIM-BAOVAO

Nasandratr’i M’Madi ny voninahi-pirenena nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany basikety U19, natao tany Hongrie. Voalohany nandray anjara i Madagasikara kanefa efa ren’izao tontolo izao ny laza noho i M’Madi. Izy no mpilalao nahazo ny “meilleur marqueur” nandritra ny fifaninanana. Nahatratra 169 be izao ny isa azony tamin’ireo lalao 7 natrehin’ny ekipa malagasy. Raha atao ny kajy, 24.1 ny salanisany.

50 andro mialohan’ny lalaon’ny Nosy 2023, hotanterahina eto Madagasikara, nitondra fanazavana ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Efa tafapetraka avokoa ny rafitra misahana ny fikarakarana izany ary efa eo am-pamaranana ny fanamboarana ny fotodrafitrasa sy ny fampivondronana ary ny “accreditation”.

Tafaverina ho filoha hitantana ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja baolina kitra, Raharimandimby Jean Serge. Klioba 13 tamin’ireo 15 tonga nifidy, nametraka fitokisana taminy. Fifidianana natao ny sabotsy lasa teo. Izy indray no hanohy ny asany amin’ny fitantanana ny seksiona renivohitra ao anatin’ny efa-taona manaraka.

Partager sur: