Tetikasa Rindra : niofana ny ben’ny Tanàna amin’ny faritra Menabe

Nampiantrano ny atrikasa fampiofanana mikasika ny tetikasa «Rin­dra» ny faritra Menabe, ny 20 jona lasa teo. Nisitraka izany ireo ben’ny Tanàna avy amin’ ireo kaominina 16, voakasiky ny tetikasa. Teo koa ireo mpitantam-bolan’ny kaominina tsirairay avy ary ny filohan’ny filankevitra kaominaly. «Tan­jona ny hizakan-tenan’ny kaominina amin’ny lafiny ara-bola sy tsy hiankinan’izy ireo amin’ny fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe», hoy ny mpandrindram-paritry ny Pnud, anivon’ny faritra Menabe, Rafanomezantsoa Sandrine.
Manampy betsaka ny kaominina hahay hitantam-bola ny fampiofanana sy fizarana traikefa, raha ny fanazavana. «Tsy misy sekoly fianarana ho ben’ny Tanàna eto Madaga­sikara, ka lasa manararaotra ny fisiana fahadisoana kely amin’ny fitantanan’ny ben’ny Tanàna sy mpitantam-bolan’ny kaominina ny Bianco», hoy ny ben’ny Tanànan’Amba­tolahy, Pieraly Moustapha. Nilaza ny mpandrindram-paritry ny Pnud anivon’ny faritra Menabe fa: «avy amin’ny fitondrana foibe avokoa ny 40 hatramin’ny 60 isan-jaton’ny fampiasam-bolan’ny kaominina».
Anisan’ny faritra manankarena vokatry ny tany sy vatosoa ary volamena ny faritra Menabe, raha ny antontanisa navoakan’ny Pnud. 9 000 taonina, isan-taona ny vokatra voanjo, 17 900 t ny katsaka, 135 000 t ny trondro miakatra any an-toerana. 66 000 ha ny tanimbary hambolena “Tsy tokony ho olan’ny kaominina any amin’ny faritra Menabe ny fampidiram-bola ara-dalàna anatin’ny kitapom-bola raha ireo harena miditra amin’ny faritra ireo no jerena”, hoy ny tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Moro­ndava, Ratsiafodimanana Mampisaina James Wolfe.

Sajo sy Mino
(mpianatra asa)

Partager sur: