Mbola voasazy ny tsipy kanetibe malagasy. Nandefa taratasy manamafy izany ny federasiona iraisam-pirenena. Filam-baniny kosa, hoy Andriamilerovason Amiroudine, filohan’ny federasion’ny sport boule malagasy (FSBM).
Raha tsiahivina, ny trosa tsy voaloa tamin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny sokajy “junior” sy vehivavy, natao tany Barcelone, ny taona 2021, no antony nanasaziana an’i Madagasikara. Efa voaefa izany saingy tsy mbola namotsotra ny sazy i Claude Azema. Mitaky zavatra hafa indray ny federasiona iraisam-pirenena dia ny tokony hamerenana ny volan’ Itompokolahy Dolys, amin’ny fianakaviany, mitentina 50 000 Euros. Saran’ny nandehanan’ny ekipa malagasy niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tany Togo sy ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, tany Cambodge, ny taona 2019. Ny minisitera no tokony hamerina ilay vola saingy tsy misy tohiny intsony hatramin’izao.
Ankoatra izay, mitaky ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenena fa tsy mahazo manao tsipy kanetibe i Madagasikara, amin’ny lalaon’ny Nosy 2023. Tsy afaka mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Benin, ny volana septambra ho avy izao, ny “senior” lehilahy.
Ankoatra izay, nanambara i Claude Azema fa tara ny famoahan’ny FSBM ny “licence national”. Tsy ekeny ny fivoriambe natao ny volana marsa teo, indrindra ny tatitra ara-bola, izay efa nolanian’ny ligim-paritra sy fanoloana ireo mpikambana sasany. Manoloana ireo rehetra ireo, tsy mbola namaly ny FSBM fa manohy ny fandaharam-potoany, ka dingana manaraka ny “Tournoi de la solidarité”, hatao ny 8 sy 9 jolay ho avy izao. Eo koa ny fanomanana ireo fifaninanana iraisam-pirenena, amin’ny taona 2024.
Torcelin