Trangam-piarahamonina mahazo laka,isaky ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny halatra taolam-paty. Taolan-dava miisa 474, nisy nanary tao anaty kirihitra, omaly.
Taolam-paty dimy gony, hita tao anaty kirihitra, tao amin’ny fokontany Ambatofaritana, kaominina Antsenavolo, distrikan’i Mananjary, omaly. Ramatoa iray handeha haka kitay no nahatsikaritra gony marobe. Nentin’ny fitiavana tia jerijery, nosavainy kinanjo taolam-paty avokoa ny tao anaty gony. Nampandre ny sefo fokontany sy ireo manodidina izy. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy tao an-toerana ny manam-pahefana notarihin’ny zandary. Nanamarina ny tranga ny Ampanjaka sy ny solontenan’ ny fokonolona.
Nalana tao anaty kirihitra ny gony miisa dimy. Navoaka ny taolana tao anatiny. Mitotaly 474 ny taolam-paty. Tsy nisy olona nihaodihaody tsikaritry ny manodidina nitondra azy ireto. Natolotra ny solontenan’ny fokonolona sy ny olobe ao an-toerana izany. Nalevina avokoa ireo taolana taorian’ny fanisana azy. Nisoro amin’ny fanadihadiana kosa ny mpitandro filaminana. “Tsy nisy ny fitarainana fahavakisam-pasana voarainay avy amin’ny manodidina ny toerana nahitana ny taolam-paty”, araka ny tatitry ny zandary.
Mateti-pitranga
Matetika hitrangana fahitana taolam-paty tahak’izao ao amin’ny manodidina ity kaominina ity. “Vao tamin’ny herintaona no nisy taolam-paty maherin’ny 2 000 isa hita”, hoy ny fanazavan’ny zandary, kaomandin’ny vondron-tobim-paritra ao Mananjary. Tsy ahitana vaky fasana anefa na iray aza ao an-toerana. Ahian’ny mpitandro filaminana fa avy amin’ny faritra manodidina hafa ireo taolam-paty hita. “Mety avy amin’ny faritra Matsiatra Ambony na faritra hafa manodidina ireo taolam-paty ireo ka entin’ireo olon-dratsy aty”, hoy hatrany izy.
Tsiferana R.