Andrianainarivelo Hajo: “Voafitaka izahay fa tsy izao ilay fanovana”

Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andria­nainarivelo Hajo, omaly. Voa­resaka ny fifidianana sy ny nialany amin’izao fitondrana izao.
Nambarany tamin’ny fandaharana, amin’ireo fahitala­vitra maromaro fa niala izy ireo. “Tsy noesorina fa nanapa-kevitra ny tsy handray anjara intsony na nisy fanomezan-toky homena toerana aza. Tsy nety ny fiaraha-miasa ary tsy nandeha amin’ny nifanarahana ho an’ny firenena”, hoy izy. Nanteriny fa efa niala nenina nanoro hevitra, saingy tsy nisy nihaino ka afaka adidy sy nanasa tanana. Aoka ny tan­tara no hitsara, araka ny nambarany… “Voafitaka izahay fa tsy araka ny fampanantenana marobe ho amin’ny hanovana an’i Madagasikara sy ny fana­tsarana ny firenena izao. Nihemotra aza isika”, hoy ihany izy. Mahatsiaro ho tompon’andraikitra koa anefa ny MMM ka antony ijoroan’izy ireo izany ahafahana manao ny tsaratsara kokoa. Notsin­driny fa mila mandroso ny firenena ary ho any amin’ny fanovana ny tolona niarahana. Tsy izany anefa ny zava-misy.
Momba ny fifidianana, nambarany fa anjaran’ny rafitry ny antoko ny maka fanapahan-kevitra amin’ireo ho kandidà amin’ny fifidianana rehetra. Notsiahiviny fa laharana fahatelo ny MMM tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny taona 2013.

Synèse R.

Partager sur: