Anisan’ny fandaharam-potoana lehibe hotanterahina ao anatin’ny «Evasion danse» II ny «Masterclass», tontosaina anio maraina, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina. Fantatra fa tsy misy intsony ny toerana ho an’izay mbola te hanatrika izany. Fiofanana nampitondraina ny lohahevitra : «Techniques et symboliques de la dit malagasy sur rythmique linéaire» izay hotarihin’i Hery Ratsimbazafy. Aorian’io, hihaona eny an-toerana ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny dihy handinika ny fomba hampivelarana sy hampifandraisana ity taranjan-javakanto ity, aty amin’ny Ranomasimbe Indianina sy ao Afrika.
Marihina fa nosokafana, omaly, tamin’ny alalan’ny «Carnaval» nodimbiasan’ny fampisehoana dihy teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra etsy Analakely, ny «Festival international de danse de création». Nifandimby naseho teny an-tsehatra ny soradihy «Rouge Rouge» niarahana tamin’ny Cie Rary. Ny «Tourbillon» nodihizin’ny Cie Anjorombala ary ny Tsiahy notanterahin’ny Elatra 1.
Hitohy rahampitso ao amin’ny IFM Analakely ny «Masterclass». Ny Djodjo Kazadi no hitarika izany.
HaRy Razafindrakoto