Filoha Rajoelina : “Tsy hisy kaominina sy fokontany hadino”

Hiara-miasa amin’ny ben’ny Tanàna sy ny lehiben’ny fokontany ny filoha Rajoelina Andry, raha ny nambarany teny amin’ny CCI Ivato, omaly. ”Tsy hisy kaominina sy fokontany hadino”, hoy izy.

“Teniko ombieny om­bieny ny hoe tsy hisy distrika hadino intsony. Nanaovana fotodrafitrasa avokoa ny distrika rehetra. Miditra amin’ny dingana goavana isika izao: tsy misy kaominina sy fokontany hohadino intsony. Hiara-miasa akaiky aminareo ben’ny Tanàna sy lehiben’ny fokontany mane­rana ny Nosy ny tenako.” , hoy ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Lahateny nataony ta­min’ny fanombohana ny vovonam-pirenena fankatoavana ny Drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE), teny amin’ny CCI, Ivato. ”Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fampandraisana andraikitra ny vondrombahoakam-paritra. Tsy atao resaka na kabary ny fitsinjaram-pahefana, fa iai­nana sy tanterahina.”, hoy izy

Manakaiky vahoaka

Mba hanomezana hasina sy lanja ny faritra, novaina ho governora ny lehiben’ny faritra. Tanjona ny fanakaikezan’ ny fanjakana ny vahoaka. Fanaovana fotodrafitrasa ma­nakaiky sy ilain’ny vahoaka izany. “Tsy manao resaka am­bony latabatra isika, fa efa ao anatin’ny fanatanterahana”, hoy izy. Manamafy an’izay izao vovonana nasionaly izao, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka.
Mila manakaiky ny distrika ny fampandrosoana no antony nametrahana ny faritra Vato­vavy. Eo koa ny faritra Amba­to­soa. Misy ny zavatra azo lotoina sy haratsiana, fa tsy azo ravana na potehina amin’izay ataon’ny tena. “Isika izao no nanorina fotodrafitrasa be indrindra akaiky sy ilain’ny vahoaka”, hoy ihany izy. Na izany aza, be ny tokony hatao. Mora ny mampanantena fa sarotra ny manatanteraka. Tanterahina izay lazaina. Mbola be ny tokony hotanterahina mba tena hipaka eny anivon’ny vahoaka ny fampandrosoana.

R. Nd.

Partager sur: