INDRAY MIJERY

Tsy azo ampiasaina amin’ny lalam-pirenena ny Bajaj, araka any fampahatsiahivan’ny minisiteran’ny fitaterana, afakomaly. Voarara tanteraka ny fandehanany
ivelan’ ny tanàna sy eny amin’ny lalana maro mpivezivezy ary ny lalana fandehanana haingana. Tsy miohatra ny 40km ny hafainganam-pandeha na any an-tanàna aza.

Tsy mety mandray ny vola vy 50 Ar intsony ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny mpivarotra enta-madinika amin’izao fotoana izao. Sarotra be satria tsy manaiky homena famerim-bola vy ny mpividy ka aleonay tsy mandray ireny, hoy ny fanazavany. Ny Jirama sy ny toeram-pivarotana lehibe sisa no mampiasa azy.

Hotanterahina ny 27 jolay izao eny amin’ny Cemes Soanierana ny fivoriambe fanao, iraisan’ireo orinasa rehetra mpikambana amin’ny Ostie. Amin’io no handinihana ny sehatra marolafy entina hanatsarana ny fiaraha-miasa. Mpiasa an’aliny miaraka amin’ny vady aman-janak’ izy ireo no misitraka fitsaboana amin’ny Ostie.

Miditra tsikelikely amin’ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra ny rehetra. Maro ireo fianakaviana maniry ny handeha fiarandalamby hitondra ny ankizy mivoaka ny Renivohitra. Am-perinasa ny zotra FCE mampitohy an’i Fianarantsoa Côte Est. Eo koa ny mampitohy an’i Mora­manga amin’i Toamasina. Ankoatra izany ny Moramanga mankany Ambila.

Partager sur: