Hiady ny amboaraben’ny “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra, ny Fosa Junior Boeny sy ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro. Ekipa roa avy ao amin’ny vondrona avaratra, ary efa mifankazatra tsara.
Hotanterahina ny alahady ho avy izao, amin’ny 2 ora tolakandro, etsy Mahamasina, ny lalao famaranana ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL). Lelavola 14 tapitrisa Ariary no homena ny mpandresy amin’izany. Ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny sy ny AS Fanalamanga no hiady ity valopy goavana ity. Araka ny fanazavana nataon-dRakotoarimanana Henintsoa, filohan’ny CFEM, omaly, teny Mahamasina dia hotolorana vola avokoa ireo ekipa 16 nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity.
Klioba roa mifankazatra tsara tao amin’ny vondrona avaratra ny Fosa sy ny Fanalamanga. Mbola manala vela ny ekipa avy any Atsinanana, efa lavon’ny mpilalaon’i Boeny, tamin’ny isa 1 no ho 0, nandritra ny andro voalohan’ny OPL. Nitovy tamin’io ihany ny vokatra teo amin’ny andro fahavalo, resy ny AS Fanalamanga.
Samy vonona ny hanome ny tsara indrindra avy aminy ny roa tonta, ary hiezaka ny haka ny amboaran’ny OPL voalohany ho azy avy. “Sarotra ny lalao miandry anay, saingy efa vonona ny amin’ny lafiny rehetra ny “Staff” sy ny mpilalao. Tsy misy mpilalao maratra hatramin’izao, ary ao anatin’ny heriny avokoa ny rehetra”, hoy Raharitiana Jose Georges, mpanazatra mpanampy, AS Fanalamanga.
Manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy, hanao fanazarantena mifandimby ao Mahamasina ny roa tonta. Mialohan’ity fihaonana lehibe ity, hisy lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinan’ny mpitantana eo anivon’ny OPL sy ny ekipan’ny ben’ny Tanàna eto amin’ny faritra Analamanga. Marihina fa ny fanjakana no miantoka ny ekipa tompondaka manao ny fifaninanana afrikanina. Ny 10 jolay ho avy izao no hanaterana ny anaran’ireo ekipa malagasy roa manao ny fifanintsanana Afrikanina C1 sy C2.
Fitia ( Mpianatra asa)