Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : ho vita alohan’ny faran’ny volana ireo fotodrafitrasa

Nambaran’ny minisitry ny fanatanjahantena malagasy, i André Resampa, tany Morondava, ny faran’ny herinandro lasa teo, fa ho tafapetraka avokoa ary ho vita alohan’ity faran’ny volana jolay ity ireo fotodrafitrasa handraisana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), andiany faha-11. Fi­haonana, hatao eto Madaga­sikara ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra, ho avy izao. Ho tonga tsy ho ela eto Madagasikara ireo fitaovana sasany hamitana izany, izay efa eny an-dalana.
Nohamafisin’ny minisitra fa vonona i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana. Notsiahiviny fa miisa 19 ireo taranja hifaninanana ka anisan’ireo vao nampidirina, araka ny fangatahan’ny Malagasy, ny Tae-kwon-do sy ny Kick-boxing. Tsiahivina fa 23 ny taranja efa voafaritra hiadiana medaly volamena saingy nahena 17 ary lasa 19.
Naniry ny hampiditra ireo taranja lalaovina amin’ny torapasika sy eny ambony rano ny Malagasy amin’ity lalaon’ny Nosy ity, saingy najanona noho ny tsy fahatomombanan’ny fotodrafitrasa. Torak’iza­ny koa ny 3000 m steeple, ho an’ny taranja atletisma.

Tompondaka

Partager sur: