Laza adina BEPC hosoka : mpampianatra roa voasambotra

Mpampianatra ny roa tamin’ireo efatra mianadahy nivarotra laza adina BEPC hosoka voasambotry ny zandary tetsy Talatamaty, afakomaly. Manao fanambarana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, nilaza ho manana laza adina BEPC izy efatra mianadahy ireto. Amidiny 50 000 Ar ny iray. Niteraka fikorontanana saim-bahoaka ny fisian’io tranga io. Nijery ifo­tony ny raharaha ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny zandarimaria eo Ambohidratrimo. Ireo mpampianatra no tompon-kevitra. Mitady mpividy izay liana amin’ izany kosa ireo olona roa hafa. Nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Sarona tokoa ireto nitonon-tena ho mpivarotra laza adina hosoka ireto. Nentina natao famotorana izy ireo. Nahatrarana laza adina amina taranja maromaro teny amin’izy ireo. Atolotra ny fampanoavana, anio, ireto efatra mianadahy ireto, araka ny nambaran’ny kapiteny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo. Efa olona maro no voafi­tak’izy efatra miandahy ireto. Nahazoany vola izany. Marihina fa tontosaina nanomboka ny alatsinainy 3 jolay teo ny fanadinana BEPC.

Tsiferana R.

Partager sur: