Natao sonia ny faha-30 jona lasa teo ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eropeanina. Mifantoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo ami’ny fampiasana ny volam-panjakana izany. Tanjona ny hametrahana lasitra mikasika ny fitantanana. Hita ao ny fepetra amin’ny fampiasana izany sy ny fifampiraharahana eto amin’ny firenena sy ny mpiara-miombon’antoka. Ao anatin’izany ny fitantanana mangarahara, ny tamberin’andraikitra, ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Hamafisina ny fifampidinihana mitohy, madio ary mivaingana azo raisina, mba hiantohana ny fahombiazana, ny fiaraha-miasa ary mifanandrify amin’ny tantsoroka ataon’ny mpiara-miombon’antoka. Eo koa ny fifampizarana vaovao, traikefa ary ny fijery amin’ny fivoaran’ny fanarenana ny fitantanana ny tetibola, ny vokatry ny fanadihadiana, sns. Hamafisina ny fifampitokisan’ny roa tonta, mba hifanojo ny ezaka sady hampitovy ny fijerin’ny mpisehatra tsirairay.
Andaniny, hisy famintinana ny asa eo am-panatanterahana sy izay vao hatao, mba hahalalana ny tantsoroka sady hanamorana ny fandrindrana ny asa. Ankilany, hatao laharam-pahamehana ny fifampizarana ny vaovao isaky ny enim-bolana, mikasika ny fanohanana sy ny fandrafetana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona manaraka.
Njaka Andriantefiarinesy