Niakatra fitsarana ady heloka bevava tao Toamasina, omaly, ny raharaha anenjehana an’i Issai Galy, araka ny antontan-taratasin’ady laharana faha 40-Toa/23-2715-Rp/22. Loham-piampangana anenjehana azy ny fikasana hanao fanolanana tamina ankizivavy tsy ampy taona. Voafaritry ny lalàna famaizana izany ka dimy taona an-tranomaizina asa an-terivozona miampy fandoavana onitra
2 tapitrisa Ar ho an’ny niharam-boina. Tao amin’ny fokontany Ampanotoamaizina Ambodiatafana, kaominina ambanivohitr’Ambinaniniony, distrikan’i Brickaville no nitrangan’ ity fikasana hanao fihetsika mamoafady ity, ny 13 aogositra 2022. Nisy fetim-pianakaviana famadihan-drazana tao amin’ity fokontany ity tamin’io fotoana io. Nandritra izany anefa, naniraka an’ilay ankizivavy ity anadahiny ka nampanantenainy fa omeny vola aorian’izay. Tonga ny tamin’ny 10 ora alina, nentiny nivoaka hiaraka aminy hoe haka vola any an-tranony ilay anabaviny. Nony tao an-trano, nakaton’i Issai Galy ny varavarana ka norahonany tsy hivoaka intsony ity anabaviny. Notampenany ny vavany ka notereny hanala ny akanjony. Tonga tampoka anefa ny reniny ka tratra teo izy efa saika hanampatra ny filan-dratsiny tamin’ity ankizivavy ity.
J.C