Anisan’ny firenena manana olana amin’ny seha-pihariana jono i Madagasikara. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny firenen-kafa ny famahana izany.
Nanomboka omaly ary hatao mandritra ny roa andro, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny fivoriana faha-12, « Unité régionale de coordination élargie (URCE) du Plan régional de surveillance des pêches (PRSP) ». Voaresaka amin’izany ny olana maneran-tany, ny jono tsy ara-dalàna tsy voambara ary tsy voafehin’ny lalàna. Mitombo isa ny sambo mpanjono maneran-tany. Mihena manaraka izay ny harena an-dranomasina azo jonoina. Tsy maintsy miara-miasa amin’ireo firenena manodidina sy ireo mpiara-miombon’antoka i Madagasikara hiadiana amin’izany. Tafiditra amin’izany ny Nosy La Réunion, Seychèlles, Maurice, Comores, ao koa i Mozambique ary Kenya. Ankoatra izay, hatsangana ihany koa ny fandaharanasa isam-paritra momba ny jono (Programme régional de pêche (PRSP)) mba hanara-maso akaiky ny jono aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina atsimo andrefana. Tanjona ny hampaharitra ity fandaharanasa ity.
Tondrozotra
Hamatsy vola io PRSP io ny Vondrona eoropeanina. Jerena mandritra ireo roa andro ireo ny fankatoavan’ny rehetra ny antontan-taratasy hampaharitra ny asa atao sy handrindrana ireo andraikitra tokony hatao. Ankilan’izay, hisy koa ny fandrafetana tondrozotra hanatsarana ny asa atao sy hampaharitra izany. Ao koa ny antontan-taratasy haneho ny fahavononan’ireo firenena hiara-hiasa voalaza etsy ambony.
Tsiahivina fa efa vonona hiady amin’ny jono tsy ara-dalàna aty amin’ny firenena anivon’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina i Etazonia. Io no nambarany, nandritra ny fivoriana natao teny amin’ny masoivohon’ity firenena ity, herinandro vitsy lasa izay.
Henintsoa Hani