Taorian’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”, fantatra avokoa ireo ekipa tafajanona ao anatin’ny “Top 12”, ho an’ny taom-pilalaovana manaraka. Raha tsiahivina, tsy natao “Top 20” intsony ny fifaninanana, araka ny fepetra notakin’ny rafitra iraisam-pirenena dia ny Rugby Afrique sy ny International Rugby Board (IRB). Mivarina any amin’ny “Federal 2” kosa ireo ekipa 4 farany taorian’ny lalao ampahavalon-dalana, toy ny US Ikopa ny SCB Besarety ny 3FAI sy ny XV FA. Marihina fa tsy mbola manomboka ny fifaninanana ho an’ity “Federal 2”, ity. Ankoatra izay, fantatra fa avy hatrany dia mitohy amin’ny alahady 9 jolay ho avy izao, eny amn’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao ampahefa-dalana, amin’ny fifaninanam-pirenena. Hifandona amin’izany ny Cosfa (Bebaoty) sy ny STM (Savony). Hifanazava ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso) ary ny TFA Anatihazo (Pilo kely) hifampitana amin’ny USCAR (kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny TAM Anosibe (Thaillande) kosa hidona amin’ny 3FB (Fahasalamana).
Tompondaka