SOMBIM-BAOVAO

Basikety
Tafaverina eto an-tanindrazana omaly ny Ankoay, avy niaro ny voninahi-pirenena, nandritra ny Mondial “FIBA World Cup U19 2023”, natao tany Debrecen, ny 24 jona-2 jolay. Laharana faha-14 i Madagasikara. Voahosotra ho mpilalao nahatafiditra baolina be indrindra, nandritra ity fifaninanana ity i Mathias M’Madi. Tonga nitsena azy ireo teny Ivato, ny solontenan’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, niaraka tamin’ny minisitry ny toekarena, izay mpiahy ny taranja basikety.

Rugby
Hisy lalao hifanandrinan’i Madagasikara sy La Réunion, ny sabotsy ho avy izao, etsy Andohatape­naka. Lalao “Rugby à 7” no hifaninanan’izy ireo amin’izany. Hotanterahina amin’io fotoana io ihany koa ny andro faharoan’ny fifaninanam-pirenena,rugby vehivavy, D1 sy D2.

Telma Coupe Madagascar
Hotanterahina manomboka ny 16 jolay ho avy izao ny dingan’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny Dato FC Manakara. Ekipa roa samy mifaninana ao amin’ny fifaninanam-pirenena Orange Pro League izy ireo.

Partager sur: