Tambazotra vehivavy mpanjono: 8500 ny mpikambana manerana ny Nosy

Mahatratra 8500 ny isan’ny vehivavy mpanjono mivondrona anaty fikambanana manerana ny Nosy. Avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana avokoa ny 70 %. Ny volana oktobra 2018 no niorina ny sampana Atsimo Andrefan’ny Tambazotra nasionaly vehivavy mpikirakira harena anaty ranomamy sy ranomasina eto Madagasikara. Ahitana izany ny faritra 13.
Tanjona ny hanatsarana ny sehatry ny fanangonam-bokatra. Torak’izany ny fanodinana ny hazandrano hitondra tombontsoa ho an’ny mpikambana. 30 ny fikambanana misehatra ao amin’ny Helodranon’i Ranobe. “Ireo fikambanana eny amin’ ny tanànan’ny mpanjono ihany no entanina hitambatra”, hoy ny filohan’ny tambazotra, Virginie Gorette.
Manana karatra avokoa ny mpanjono, izay havaozina isan-taona. Misitraka fiofanana sy fampitaovana ny mpikambana ka nihena ny vokatra nariana. Nanome efitrano mangatsiaka hitehirizana ny vokatra sy vata fampangatsiahana ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny fambolena sy ny sakafo (FAO). Indro kely, ny fahatapahan’ny herinaratra matetika.
Manentana ny vehivavy mpikambana hiaro ny tontolo an-dranomasina, izay toeram-piasany, ny tambazotra. Miara-miasa amin’ny ONG Reef Doctor izy ireo eo amin’ny famatsiana izany.

Vonjy

Partager sur: