Tsy manara-penitra ny ankamaroan’ny trano fonenana eto Madagasikara. Endriky ny fahantran’ny vahoaka maro anisa eto amin’ny firenena izany.
Maro sy hita ny trano najorojoro, tsy misy fahazoan-dalana avy any amin’ny kaominina na firafitra avy amin’ny teknisianina, indrindra ny any ambanivohitra. Tsy misy ny fikojakojana ny trano. Misy ihany anefa ireo olon-tsotra manofa trano, manao fifanarahana (bail) araka ny fotoana omen’ny tompon-trano. Saika hita amin’ny tanàn-dehibe ny fifanarahana. Mbola vitsy amin’izao fotoana izao ny manao fifanarahana, indrindra momba ny trano manara-penitra, na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra.
Vitsy koa anefa ny tompon-trano, araka ny fari-piainana eto amin’ny Nosy. Midika izany fa vitsy anisa ny mampanofa trano amin’ny maro anisa. Raha raisina ny eto an-dRenivohitra, hita fa misy trano tsy azo ipetrahana, ao ny zara fa vita, ao ny tsy nahazoana alalana ny fanamboarana azy. Betsaka ny zara fa trano, natao kitoatoa ny fanamboarana azy.
Amin’ny toerana sasany, ratsy ny fonenana, toerana tsy misy fanariam-pako sy fivalanan-drano. Faritra sasany, ahitana tanàna mendrika: misy tsena, mpivarotra maro, ahitana fanariam-pako sy fivalanan-drano, fijanonan’ny fiarakodia na vitsy aza, fiangonana, sekoly … Fehiny, mibaribary ny elanelana eo amin’ny fari-piainan’ny mponina amin’ny toerana maro.