VAOVAO TAMBATRA

Tafavoaka tao amin’ny toeram-pitrandrahana ihany ny mpiasan’ny orinasa QMM. Afaka namonjy ny fianakaviany izy ireo, rehefa nihitsoka tao am-piasana nandritra ny andro maromaro. Laharam-pahamehana ho an’ny QMM hatrany ny fifampidinihana amin’ny ankolafy samihafa satria izay ihany no ahitana vahaolana, mba hisian’ny fandrosoan’ny toekarena, sosialy ary ny asa.

Nihena ny vidin’ny legioma eny an-tsena raha mihalafo kosa ny vidin’ny voasary makirana. Ankehitriny, manomboka amin’ny 1 000Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Niakatra ho 750 Ar hatramin’ny 800 Ar kosa ny vidin’ny atody.

Nanomboka omaly ka hatramin’ny rahampitso ilay hetsika fampirantiana karazana vato sy harena an-kibon’ny tany, etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Tanjona ny hampahafantarana sy hampianarana ny rehetra ireo karazana vato misy eto amin’ny Nosy.

Nomen’Ambatovy jiro miisa 375 mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny kaominina Ambohi­bary, Andasibe ary Morarano Gara, distrika Moraman­ga, ny 14 jona teo. Fitaovana ahitana kojakoja: takelaka, bateria, jiro amin’ny valin-drihana efatra sy jiro mirehitra ho azy rehefa andalovana, miampy radio. Mitentina 217 tapitrisa Ar ireo fanomezana ireo, manampy ny jiro miisa 500 efa nomena tany amin’ny kaominina Ampasimbe, Ranomafana Est ary Ta­nambao, ny febroary 2023.

Partager sur: