Nihazakazaka ny fahapotehan’ny ala eto Madagasikara tato anatin’ny 20 taona farany. Mitombo ny entona karbona CO2 aparitany, izay miteraka ny fiovan’ny toetr’andro,
Zava-doza ! Araka ny tatitry ny Fikambanana iraisam-pirenena manara-maso ny ala, ny Global forest watch (GFW), nahatratra 16,4 tapitrisa ha ny velaran’ny ala teto Madagasikara, ny taona 2010, manome 28%-n’ny velaran’i Madagasikara. Ripaka ny 26 000 ha tamin’ny taona 2022.
Nahatratra 995 000 ha ny ala mando voajanahary potika ny taona 2002 hatramin’ny 2022, manome ny 22%-n’ny velarana ala misy. Ho an’ny taona 2001 hatramin’ny 2022, nirefy 4,62 tapitrisa ha ny zava-maitso potika, nampihena 27%-n’ny velarana nisy nanomboka ny taona 2000. Nilanja 2.290 t ny entona CO2 navoakany.
Voalohany i Toamasina
Ny tapany atsinanan’i Madagasikara no tena ahitana ala mando voajanahary. Saika efa tsy ahitana intsony kosa ny eto Antananarivo, satria efa ringana ny tapany atsinanana, ny tandavanala Angavo-Anjozorobe. Ho an’ny faritany dimy ambiny, voalohany ahitana ala potika ny any amin’ny faritanin’i Toamasina, nahatratra 1,81 tapitrisa ha ny taona 2001 hatramin’ny 2022, izay ahitana ny antsasa-manila (55%) ny fahasimbana. Faharoa, ny any Fianarantsoa, mirefy 749 000 ha. Fahatelo, any Antsiranana, 730 000 ha, fahefatra, any Toliara, 637 000 ha ary farany, any Mahajanga, 627 000 ha.
510 000 ha ny taona 2017
Araka ny tatitry ny GFW ihany, tena nirongatra indrindra ny doro ala sy ny doro tanety teto Madagasikara, ny taona 2017, nahatratra 510 000 ha. Firenena fahefatra maneran-tany nahitana fahapotehan’ny ala i Madagasikara tamin’io taona io.
Tsiahivina fa tanjona napetraky ny fanjakana ny hambolena hazo 75 000 isan-taona, ary 4 tapitrisa ha hatramin’ny taona 2030. Ho an’i Afrika, mahatratra 100 tapitrisa ha ny velarana hambolen-kazo.
Njaka A.