30 mianaka tra-doza : raza mianadahy maty voapotsitry ny entana

Zava-doza no nanjo ireto mpandeha 30 mianaka, nitaingina kamiao mpitatitra entana. Nivadika ny fiara. Maty voapotsitra ny zazalahikely vao herintaona sy zazavavy sivy taona.

Vokatry ny haratsian-dalana sy ny tsy fitandreman’ny mpamily! Maty tsy tra-drano ny zazalahy herintaona sy ny zazavavy iray 9 taona. Zanak’olona sa­mihafa izy ireo. Mpandeha tao anatin’ny kamiao iray, nivadika tao Bekabija Ambatolampy, Fokontany Morarano, kaominina ambanivohitra Sarobara­tra, omaly maraina. Fiara mpitatitra entana tsy natao itondrana mpandeha no tra-doza. Nisy mpandeha miisa 30 tao anatiny. “Niakatra teo amin’ny sampanan-dalana mihazo an’i Tsaratanana ireo olona ireo”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Ratsy lalana, niteraka fahasahiranana ho an’ny mpamily ny havesaran’ny fiara nentiny.
Nivadika ny fiara teo amin’ny 45 km tsy ahatongavana ao Tsaratanana. Vokany, ni­anjera avokoa ireo entana tao anatin’ny kamiao. Tavoa­han­gy toaka ny ankamaroany. Nisy tamin’ireo olona voatsindry no naratra, miisa efatra izy ireo. “Maty ilay zazalahy vao heritaona sy ny zazavavy iray”, hoy ny zandary mandray an-tanana ny famotorana.
Etsy ankilany, ateraky ny haratsian-dalana, voatery ma­nararaotra kamiao mpitatitra entana ny mpivezivezy. “Vitsy ny fiara mpitatitra. 1 000 000 fmg anefa ny saran-dalan’ny moto ka aleon’ny olona mi­tain­­gina kamiao izay 175 000 fmg”, raha ny fanamafisan’ny zandary ao an-toerana. Nite­ra-doza io fahazaran-dratsy io. Nosamborina ny mpamily ny kamiao. Nentina notsaboina eny anivon’ny CSBII Ambon­­dromamy ireo naratra.

Tsiferana R.

Partager sur: