Basikety-Mpilalao U19: hisy handrafitra ny ekipa nasionaly amin’ny JIOI

Tsy tapitra teo amin’iny fiadiana ny amboara eran-tany iny ny lalan’ireo mpilalao U19, eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Hisy amin’ireo mpilalao tany Hongrie ireo no ho voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot. Mbola ho tazana hiaraka hilalao foana ihany, araka izany, ny mpilalao sasantsasany amin’izy ireny, izay mety hahavita hi­tondra vokatra tsara. Nam­baran’ny DTN Angelot fa nampiseho ny fahaizany ny An­koay tany amin’ny “Mondial” ary na nisy aza ny lesoka dia nisongadina ny ekipa malagasy. Manana hoavy tsara ireo mpilalao ireo amin’ny maha mbola tanora azy ireo. Mila tohizana ny kotrana, hoy hatrany ity tale teknika nasionaly ity.

Mi.Raz

Tsy ho mpanazatra ny ekipa nasionaly intsony ny Coach Randria Aimé. Nam­barany fa noho ny fanakianana diso tafahoatra natao azy, tamin’ny faharesena azon’ny Ankoay, tany Hongrie no anton’izao fanapahan-keviny izao. Hano­lotra ny fitantanana ho an’ireo teknisianina mpanakiana azy ireo izy, raha ny nambarany hatrany.

Partager sur: