Tafaporitsaka teo am-pelatanan’ireo telo lahy nandeha fiara 4×4 ny ankizilahy iray fito taona, ny talata teo, tao Ihosy. Avy any amin’ny faritra Soamatasy, Ihosy RN 13 ilay lasibatra. Araka ny filazany nandritra ny famotorana teny amin’ny zandary, fiara 4×4 iray miloko mena no nitondra azy. Teo am-piambenana omby izy no nantsoin’ireo olona tao anatin’io fiara io. Notambatambazan’ireo telo lahy mofo ity ankizilahy ity ka nanatona tokoa ary nampidirin’izy ireo tao anaty fiara. Nohamafisiny fa olona telo izy ireo no tao anaty fiara ka rehefa tonga teo avaratry ny tanàna antsoina hoe Voatavo ilay fiara dia nijanona nisotrosotro zavatra izy ireo. Teo no nahafahan’ilay ankizy nitsoaka satria nolazainy fa hafahafa ny fahitany azy ireo. Nentina nanaovana famotorana niaraka taminy teny amin’ny tobin’ny zandary ao Ihosy koa ny ray aman-dreniny hahafantarana ny tena zava-misy marina. Mitohy ny fikarohana ataon’ny zandary ilay fiara; amin’izao fotoana izao. Nihazo ny toerana voalaza fa nisotrosotroan’ireo telo lahy tao Soamatasy koa ny zandary. Raha ny fanadihadiana savaranonando, ahina ho misy ifandraisany amina trangana fanafihana niseho tao an-toerana ireto mpaka an-keriny ireto. Andrasana araka izany ny valin’ny fanadihadiana.
J.C