INDRAY MIJERY

Nanaraka fiofanana teny amin’ny kolejy teolojika Ivato ireo talen-tsekoly 27 ao amin’ny departemantan’ny sekoly sy ny fitondran-tsekoly FJKM tamin’ity herinandro ity. Nofanina ny amin’ny fitantanana eo anivon’ny sekoly izy ireo tamin’izany. Teo koa ny torohay mikasika ny fifandraisan’ny sekoly sy ny fiangonana.

Hatoby amin’ny toerana iray ny olona manana toe-tena varira any farafangana ho fiarovana azy ireo . hanentanana ny manana zanaka varira any an-toerana ny hampiditra azy anatin’ny fikambanana Semaf,a ahafahana miaro ny zony. 34 ireo olona mivondrona ao amin’izao fotoana. Mianatra sy beazina ho tonga olom-banona ireo mpikambana.

Efa nifarana, omaly, ny fanadinam-panjakana BEPC ho an’ny sokajy B raha mbola hiatrika ny tenim-pirenena vahiny kosa ny sokajy A ny tapany maraina, anio. Haharitra roa herinandro ny fitsarana ny kopiam-panadinana ary hoezahina hivoaka aorian’izay ny valiny, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena.

Mahagaga hoy ny birao misahana ny Seces sampana Antananarivo fa tsy nanalana hetra, 10%, ny saran’ny ora fanampiny sy ny karaman’ny mpiasa an-tselika ho an’ny onivesiten’i Toliara, taom-pianarana 2018-2019, ka nahoana no tadiavina hampiharina ho an’ny oniversiten’Antananarivo izany ?

Partager sur: