Kitra ho an’olona 7 : tafapetraka ny vato­fo­totra eny Betongolo

Tontosa omaly, teny amin’ny kianjan’ny Betongolo ny fametrahana ny vatofototra ho fananganana kianja filalaovam-baolina ho an’olona 7 (MDN Stadium Betongolo). Nanatan­teraka izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rako­toa­rijaona Josoa sy ireo mpiara-miasa aminy. Fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika Malagasy, amin’ny alalan’ny ofisy miaramilan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina (OMSC), sy ny mpiara-miombon’antoka no ahafahana manangana izao fotodrafitrasa izao. “Fakan-tahaka ireo dingana tsara hitarihan’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana sy fanatsarana fotodrafitrasa manara-penitra”, hoy ny MDN. Tanjona hanam­boarana izao kianja izao koa ny fanatsarana ny fitaizana ho an’ny miaramila sy ireo tanora malagasy mpankafy ny taranja baolina kitra. Manampy amin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, indrindra ny héroïne. Eo koa ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena. Fanatanterahana koa ireo toromarika niarahan’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika ny fametrahana kianja mba hitaizam-batana ho an’ireo miaramila miantsehatra eny an-kianja. Toy izany koa ny fanandratana sy fampiroboroboana ny Cosfa, sangany amin’ny lafiny fanatanjahantena eto amin’ny Nosy.

Jean Claude

Partager sur: