Mathias M’Madi : anisan’ny voafantina amin’ny GloblJam 2023

Nitondra vokatra tsara ho an’i M’Madi sahady ny fisongadinany, nandritra ny fiadiana ny amboara
eran-tany, taranja basikety U19, natao tany Hongrie. Tafiditra ao anatin’ny mpilalao afrikanina mendrika indrindra izy.

Ao anatin’ny mpilalao mendrika indrindra eto Afrika i Mathias M’Madi, mpilalao nisongadina tamin’ny «World Cup U19», natao tany Debrecen Hongrie. Hihazo an’i Canada, ny sabotsy izao, izy, hiatrika ny “GloblJam 2023” na ny «Festival Inter­national du Basket-ball». Hetsika goavana hotanterahina ny 12 hatramin’ny 16 jolay ho avy izao. Ity mpilalao laharana faha-4 ao amin’ny ekipam-pirenena U19 ity no solontena malagasy voafantina ho ao anatin’ny ekipa afrikanina handray anjara amin’ny lalao hatao any Canada. Fifaninanana basikety, lalaovin’olona dimy no hatao mandritra ity “festival” ity. Firenena sangany, ahitana an’i Canada, Etazonia, Porto Rico, Alle­magne ary ny ekipan’ny mpilalao voafantina eto Afrika no hifaninana. Misy sokajy lahy sy vavy, ho an’ny mpilalao la­tsaky ny 23 taona ary ho hita ao ireo kintana avy amin’ny ligin’ny basikety amerikanina avaratra sy ny mpilalaon’ny NBA.Nahasarika ny teknisianina ny zava-bitan’i M’Madi nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany farany teo, izay nisalorany ny “meilleur marqueur” ka anton’izao fian­tsoana azy izao. Tsiahivina fa isa 169 be izao no azon’ity mpilalaon’ny Elan Chalon ity, tamin’ny lalao 7 nandraisan’i Madagasikara anjara. Efa hatramin’ny “Afrobasket U18”, natao teto Madagasikara, ny desambra 2022 izy no nahazo io “meilleur marqueur” io.
Ankoatra an’i M’Madi, efa manomboka mitilitily ireo Malagasy mpilalao nisongadina tamin’iny “World Cup U19” iny ihany koa ireo teknisianina eny anivon’ny klioba kalaza any ivelany. Tsy vitsy amin’ireto Ankoay U19 ireto, noho izany, no mety hikopak’elatra hila ravinahitra any ivelany ato ho ato.

Mi.Raz

Partager sur: