Hita faty nentin’ny rano, tao ambanin’ny tanàna Valanady, kaominina Namorona, distrikan’i Manakara, omaly, ny lehilahy iray tokony ho 23 taona. Mbola hita teny aminy ny akanjony, saingy tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Araka ny fitsirihana nataon’ny dokotera, niaraka tamin’ny zandary, ny razana, nahitana ratra teo amin’ny lohany. Nifatotra tanana aman-tongotra izy. Raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo, efa ho telo na efatr’andro any ho any ity razana ity no tao anaty rano. Heverin’ireo mpanao fanadihadiana fa olona tsy novonoina tao amin’ny faritra izy fa tany an-toeran-kafa mialoha ny nanariana azy tao amin’ity renirano ity. Milaza ho tsy misy mahafantatra azy rahateo anefa ny mponina tao amin’ity fokontany ity. Ny fokonolona tao an-toerana ihany no nisahana ny fikarakarana ny razana, araka ny fomban-drazana amin’iny faritra iny. Efa mandeha ny fikarohana ataon’ny zandary amin’ireo ahina ho tompon’antoka amin’izao vonoan’olona izao. Andrasana ny tohin’ny famotoran’ny zandary.
Vehivavy iray koa hita faty tao anatina ala kininina, manamorona ny tetezana mankany Fitapotsy/Ambatovory fokontany Camp-Robin, distrikan’ Ambohimahasoa, omaly atoandro. Tonga nanao fitsirihana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera. Voamarina tao anatin’izany fa mihoatra ny adiny enina tany ho any ny nahafaty azy. Nahitana ratra koa teo amin’ny tendany.
Jean Claude