SOMBIM-BAOVAO

Miala sasatra eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, ry Randrianasolo mirahalahy, fanta-daza amin’ny taranja MMA (Mixed Martial Art). Araka izany, hisy ny fiofanana karakarain’ny Judo BJJ Esca, rahampitso, eny amin’ny Dojo Esca. Handray anjara amin’ny fampiofanana ihany koa ireo mpiangaly MMA eto Madagasikara.

Hotanterahina iray volana mialohan’ny la­laon’ny Nosy ny fampivondronana farany ireo atleta mandray anjara, araka ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Hiaraka hipetraka amin’ny toerana iray eto Antananarivo ireo atleta mandritra io iray volana io.

Malagasy mpilalao baolina kitra nitondra avo ny Barea nandritra ny Can 2019 i Nomenjanahary Lalaina na Bôlida. Ankoatra ny maha mpilalao azy, nianatra momba ny fitantanana fanatanjahantena izy ka nahazo mari-pahaizana «Diplôme universitaire de Gestion des organisations sportives» tao amin’ny oniversite any Lyon.

Tsy afaka niatrika ny fifaninanana afrikanina, taranja “Bras de fer”, natao tany Ghana, ny 21-25 jona lasa teo, Rakoto¬nirina Tahina Etienne, Malagasy mpikatroka “Bras de fer”. Raha ny fanazavany, ny alatsinainy teo, teny Soavina, tsy lasa izy noho ny tsy fisian’ny vola.

Partager sur: