TSELATRA

Mpianatra iray mpanala fanadinam-panjakana BEPC no niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy teny Ankadivato, omaly hariva. Nandeha irery izy tamin’io fotoana io no nifanena tamina jiolahy roa tanaty elakela-trano iray mihazo an’Ankadivato. Nalain’ireo olon-dratsy ny kitapokely misy ny kojakoja ampiasainy amin’ny fanadinana, miaraka amin’ny finday.

Nosintonin’ny zandary ny taratasy fahazoan-dalan’ilay mpamily taksibrosy, omaly. Naiditra am-balam-pamonjana ilay taksibrosy nentiny, izay mampitohy an’i Faratsiho sy Analavory. Nitondra saretin’omby teny ambony fiara, nihoatra ny tokony ho izy ny entana nentin’io taksibrosy io. Tsy nisy zandary, nampiakarin’ilay mpamily teo Dango Faratsiho amin’ny RN 43, PK 60, ilay sarety.

Lehilahy nitondra rongony tratra tao Farafan­gana no naiditra am-ponja, afakomaly. Nentiny avy any Vangaindrano ny rongony 4 gony. Nilanja 40 kg, saron’ny polisy nanao fisavana ireo entana ireo. Natao famotorana io lehilahy io. Nidoboka am-ponja taorian’izay. Nodorana teo anatrehan’ireo manampahefana ao an-toerana ny rongony.

Potika tanteraka ny moto iray nisongona kamiao, tetsy Ambohimangakely, omaly maraina. “Tsy nisy aina nafoy fa nitsabo tena eny amin’ny hopitaly ilay mpitondra moto”, hoy ny kaomandin’ny tobim-paritra ao an-toerana.

Partager sur: