Tsenabe By pass – Atsimondrano : hetsika ara-toekarena hitsinjovana ny tontolo iainana

Hotanterahina eny By pass, ny 20, 21, 22 ary ny 23 jolay ho avy izao ny tsenabe “Vitrine d’Atsimondrano”. He­tsika karakarain’ny Fikam­banana Manasoa. Hampiranty sy handray anjara mandritra izany, ireo orinasa 250 (va­venty sy madinika) eny an-toerana. Toy ny tontolon’ny fambolena, fiompiana, asa tanana, fampiofanana, fampianarana… Tanjona ny hisian’ny tolotra sy tinady eo amin’ny sehatry ny asa sy hitsinjovana ny tontolo iainana. Tafi­ditra ao anatin’ny fanomezan-danja ny lafiny toekarena ny hetsika. Mba hanampiana sy hanasongadinana ireo orinasa rehetra amin’ny fanaovana asa tanana. Mbola maro ny olona tsy mahafantatra ireo karazana asa tanana azo hivelomana. Fotoana io ahafahana mampiseho izany. Ha­hazo vahana ihany koa ny seho ara-koltoraly sy ny tontolo iainana mandritra izany. Entanina sy hampianarina ny rehetra, tonga eny, amin’ny fanodinana ireo akora efa ratsy. “Fanamby tokony ho tanterahin’ny Malagasy ny hitsinjo ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanodinana fako sy plastika, mba ho lasa akora vaovao azo ampiasaina”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao anivon’ny Fikamba­nana Mana soa, Ramarozaka Roxane. Nilaza izy fa mampandroso ny firenena sy ma­nampy ny hafa izany.

Mino

Partager sur: