Tsy misy mpiahy

 

Mila tsy ho zakan’ny aina intsony ny hatsiaka iainana eto an-drenivohitra sy ny renivohi-paritra maro eto Madagasikara. Tsy hoe ririnin-dasa tsy tsaroana akory, fa ren’ny aina ilay hirifiry entiny. Mahazo vahana ny aretina isan-karazany noho ny faharefoan’ny hery fiarovana. Lasibatra sy mahita faisana ny zaza sy ny zokiolona. Na izany aza, tsy mifidy hasiana ny tsimokaretina sy ny otrikaretina samihafa. Mijafajafa na ireo heverina ho matanjaka aza ka tratry ny gripa sy ny aretin’ny vanintaolana, ohatra.
Olana iray goavana sedraina anefa ny fitsaboana ny marary. Tsy zakan’ny enti-manana intsony ny saram-pitsaboana sy ny vidim-panafody. Midangana izaitsizy izany. Tsy natao ho an’ny kely vola. Mangirifiry noho ny fiatrehana ilay aretina ny famoahana vola am-paosy.Tsy ampy matetika ny hoenti-manana ka mionona amin’ny fanaovana dokotera tena ny ankabeazan’ny Malagasy. Tsy marisika manatona mpitsabo fa mihanona amin’ny fanafody mora vidy, amidy eny anelakela-trano sy ny tsenakely. Inona moa fa tsy loza miampy loza isan’andro vaky izao ! Tsy misy miraharaha sy tsy misy mpiahy ilay vahoaka malagasy.
Manoloana izany, ilay fanjakana tsy mahavita azy. Milaza ho tsy afa-manoatra noho ny antony samihafa. Tsy manana politika mazava momba ny fahasalamam-bahoaka rahateo i Madagasikara, andaniny. Seha-pihariana miroborobo sy mahazo vahana ny fitsaboana eny antsisin-dalàna, ankilany. Manjaka ny kolikoly ara-pahasalamana eto Madagasikara noho ny fahantrana lalina. Betsaka ny mpanararaotra ny fahalemen’ny vahoaka malagasy sy ny faharisarisan’ny fampiharana ny lalàna. Tsy mahagaga, milaza ho mpitsabo avokoa izay mahay mivaro-bava. Efa vita eny amin’ny tranokalam-pifandraisana, toy ny Fesiboky, ny fizaham-pahasalamana sy fizarana fanafody manasitrana aretina maro. Mampametra-panontaniana lalina !

r.r

Partager sur: