“Efa hisy ny didim-panjakana havoakan’ny governemanta amin’io herinandro hiditra io”, hoy ny talen’ny kabinetran’ny Ceni, Andriamifidy Jean-Louis, ny amin’ny fanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Amin’izany no hamerana amin’ ny fomba ofisialy ny tetiandrom-pifidianana.
Handray anjara amin’ny fivoriambe ara-potoan’ ny filankevitra mpanatanteraky ny Vondrona afrikanina (UA) faha-43 hatao any Nairobi Kénya, ny 13 sy 14 jolay, i Madagasikara. Hodinihina amin’ izany ny tetibolan’ny UA, ny fifidianana ireo mpikambana hitantana ny rafitra eo anivon’ny vondrona. Eo koa ny fankatoavana ny firotsahan-kofidin’ireo hisolo tena amin’ny fikambanana iraisam-pirenena
“Tsy laharam-pahamehana ny hanitsiana ny lalàna momba ny fizakana zom-pirenena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, amin’ny mety hisian’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny parlemanta. Mety ho kajikajy politika no ao ambadik’izay. Izay hahatanteraka ny fifidianana amin’ity taona ity no tokony hojeren’ny fitondram-panjakana akaiky.
Voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra natao afakomaly, teny Iavoloha, ho tomponandraikitry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina “Responsable de l’unité de partenariat public-privé UPPP”, Rakotofiringa Auguste Jean Marc.