Fondation Tany meva : nankasitrahana ny mpiasa

Miisa 24 ny mpiasa sy mpitantana ny fikambanana Fondation Tany Meva nomena fankasitrahana amin’ny asa sy mariboninahitra avy amin’ny fanjakana, ny 30 jona teo. Valo nahazo ny « Chevalier de l’Ordre National ». Niasa mihoatra ny 20 taona. Fito nahazo medaly volafotsy (15 taona), 15 nahazo medaly alimo. Nahatratra 30 ny medaly azon’ireo mpiasa sy mpitantana miisa 24.

Samy niray feo, nanasongadina ny lanjan’izao fankasitrahana amin’ny asa vita izao ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA), Ramparany Tiana, ny tale mpanatanteraka (SE), Rasoanarivo Hariliva ary ny solontenan’ireo nankasitrahana, Fanohiza Claude. Filamatry ny Fondation Tany Meva rahateo ny faharisihana sy ny fanatsarana ny zava-bitan’ny mpiasa manontolo, ary ny fanohizana ny ezaka vita.

Tsiahivina, tamin’ny taona 2020 no nisy fankasitrahana farany tao amin’ity fikambanana mitsinjo ny tontolo iainana ity.

Njaka A.

Partager sur: